Hody aho (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)

https://tononkira.serasera.org/hira/hanitrliva-.-chorale-du-metm-ziona-famonjena-fianarantsoa/hody-aho-1

Ry mpivahiny, ho aiza moa izany dianao e.
Mba henoy izany hafatra ambara aminao e.
Fantatrao ve Ilay Mpamonjy sy Tompo mahery.
Jesoa Kristy, namoy ny ainy hamonjy antsika ô ô!
Raiso Izy,ao am-po, raiso tsara.
F'izy ihany no mahatsara fiafara.

Ref: Ty tamy aho ô ry Raiko izay malala.
Raiso ho anao, aza avela hiala.
Very aho ka Ianao no ftononkira.serasera.organafody ho ahy.
Ity tamy aho, raiso ny tànako fa hody aho.

Ry mpirenireny, nivezivezy nikaro-javatsoa,
tsy nahita, tsy nahazo izay mahasoa.
Manatòna, ampy ho anao Ilay Mpamonjy Mahery.
Jesoa Kristy, tonga hitady sy hamonjy ny very ô ô.
Mivavaha, matokia fa tsy irery.
F'ilay Ray tsy mandao fa mijery.

Ref :Ty tamy aho.....

Tonony sy Feony:ANDRIATSITOHAINA Tsilo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa
Mpamaky : 669
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ridza95
Tamin'ny : 13/08/2018 15:47:22
ID : 10876

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo