Zanaka adala (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ity ilay zanaka adala, ilay ninia tsy nahalala fa nandany ny harenan-dRay.
Kanjo loza no nitranga, iray minitra dia indro rava, lany ritra ny fananana.
Tonga saina ankehitriny raha nahatsiaro ny fahiny fa toa sambatra sy niadana.
"Any izay Ray malala fa izaho no tena adala fa izy anie ka be fitiavana!"

Ref:Ray malala ô! miantso anao ity zanaka naniasia.
Miangavy aho, mitalaho raiso ho anao, ho anao doria.
Be ireo ditrako.Efa hitako fa ratsy sy tsy mahasoa.
Nanenenako ireo izay vitako, ialako fa efa nahavoa.

Izaho sy ianao ilay adala.
Ilay nisitaka ny vala fa variana tamin'ny fiainana.
Ilay nandany ny harena tamin-dratsy mahonena mba hikatsa-piadanana.
Miverena ry sakaiza.Jesô Tompo anie tsy aiza fa efa miandry sy mitazana ô!
Mitodiha ankehitriny.Ialao ireo tsy tiany ka andeha hiantso hoe:"Ray malala ô..."


Tonony sy feony:ANDRIATSITOHAINA Tsilo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa
Vangy : 1231
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ridza95
Daty : 13/08/2018 17:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748