Matokia (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao tojo izay fitsapana ka misento sy ketraka ny fo
Toa tsy hita izay lala-kombana, tsisy antenaina, te hamoy fo.
Nivavaka, niantso ny Ray, toa tsisy valiny hatramin'izao
Ka menatra mangaihay ary ory ny fanahy
Ianao lay nanompo hatrizay, lavon'ny fakam-panahy.

Matokia fa izy tsy handao, anilanao n'aiza n'aiza misy anao!
Ireo fitsapana mainka ataovy hampijoro, hanamafy ny finoana!
Ka na mafy izany ady atrehanao, aza kivy fa izy anie tsy hanary anao!
Ny miaraka amin'ny Tompo anie tsy mora koa mahereza hatrany!

Aza miverin-dàlana intsony, mandrosoa amin-kery, matokia!
Ianao ilay sitraky ny fony, tsy hafoiny velively sanatria!
Ireo sedra izay iaretanao, nataony hampiorina hatrany.
Mifalia amin'ny fanantenana fa Jesosy tsy handao
Mbola hisolo hafaliana ireo tomany sy ireo ranomasonao!


Mpanoratra: RAKOTONIAINA Rija José
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa
Vangy : 2097
Mpankafy : 7 Ankafizo
Nampiditra : Ridza95
Daty : 16/03/2018 11:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0842