Izay rehetra ataonareo dia.... (Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay rehetra ataonareo, dia ataovy ampitiavana
satria, ny fitiavana, fitiavana no ambony indrindra
manaova toy ny voankazo, maniry ao anjaridaina
Mamokatra tsy ankiato, hanasoavana ny hafa a...

1- Ny fitiavana dia sady maharim-po no malemy fanahy e
ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manonao foana
fitiavana tsy mieboebo,tsy manao ny tsy mendrika
tsy mitady ny hoazy, fitiavana tsy mora tezitra

2- Ny fitiavana dia tsy manao andolom-po
tsy mifaly noho tsy marina e...
(Nyfitiavana) fitiavana ataon ny Olona
mifaly noho ny fahamarinana
(nyfitiavana) manala tsiny amin'ny zavatra (rehetra)
mino ny zava-drehetra
fitiavana fanantenana, mandefitra amin zava-drehetra..

tsy mba manam-pahataperana e...
fitiavana ao amin'ny Tompo.

           A/C: Alban Randriarimalala
                Groupe ITMM- 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe ITMM Betafo Ambohimangakely
Vangy : 18
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Sydorien
Daty : 01/06/2026 09:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0375