Vita (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Nanao lalam-be ho antsika Andriamanitra
Nilaozany ny lapa sy ny voninahitra
Ny Zanany nomeny mba ho mpanavotra
Jesoa nanetry tena, f'ianao asandratra

Ho anao no niaviany
Ka mivonona izao
Satria isika tiany
Handova ny lanitra

Ref: Vita e! Vita e! Vita ny famonjena
Ny Ainy, ny Ràny no nataony fanekena
Ianao sisa no andrasany
Handray ilay famonjena efa vitany

2. Indro aho hanolotena hanompo Anao Jesoa
Hisaotra sy hidera ary hankalaza Anao
Fa sarobidy indrindra 'reo zava-bitanao
K(a) andeha re ho deraina ny fahalehibeazanao

Ho anao no niaviany ...

Ref: Vita e! Vita e! ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 254
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 20/03/2023 13:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1052