Teo Jesoa (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Indraindray toa mila ho resin'ny fiainana
Rehefa injay misesy ny olana
Fijaliana foana no indro manoloana
Aretina mpandavo no indro fa mpahazo

2. Indraindray toa mila ho kivy sy hamoy fo
Rehefa mafy ny zava-manjo
Reraka ny saina, iza no antenaina
Mitady iantorahana hanolo-tanana

Ref: Hay moa teo Jesoa
Soa fa teo tsy mba mandao
Izy tsy mba hampitondra izay mety tsy ho zakanao
*Dia niandrandra sy nitraka aho ka nijery ny lanitra
Isaorako Ianao Andriamanitra

1. Indraindray ireo noheverina ho havana
Ireny no mialangalana
Iza moa no ho antsoina raha tojo voina
Voazaran'ny fiainana, tsy misy hitarainana

2. Misy anefa ilay tena azo antoka
Fa tsy manary amin'ny sarotra
Izy afaka maka 'zay rehetra tsy zaka
Ento eo anatrehany ny entanao entiny

Ref: Hay moa teo Jesoa ... (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 414
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 27/04/2022 19:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0943