You are here: home > Tononkira > GAFLI

Mandalo ihany (GAFLI)

1. Ny alahelo sy ny sentom-po
    Tsy hahasaraka ahy Aminao
    Jeso mpiahy ny fiainako
    Tsy taka-tsaina ny fitiavanao
           ref: Mandalo ihany 'zao tontolo izao
                  Nefa sambatra kosa ny manana Anao Jeso
                  Na fitsapana, na fisedrana
                  Zakako foana raha amiko Ianao

2. Ny fiTsiky dia ampyfaliana mameno ny fo
    Dia fifaliana anilanao
    Ny fiderana 'zay asandratro
    Feo milaza ny am-poko ao
           ref: Mandalo ihany 'zao tontolo izao ...

3. Ny fanolorako tena ho Anao
    Mba amasino ho vaovao
    Ny sitrakao no tiako atao
    Koa ampianaro sy mba hazavao
           ref: Mandalo ihany 'zao tontolo izao ... (x2)
                

Mpihira : GAFLI
Mpamaky : 29
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Solofomandimby
Tamin'ny : 22/09/2022 18:13:03
ID : 14575

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo