You are here: home > Tononkira > GAFLI

Manam-piafarana (GAFLI)

1. Inona moa 'zay androntsika
    Toy ny zavona ihany
    Ka na ny ratsy na ny tsara
    Dia manana ny fiafarany
    Samy handray izay nafafiny
            Ref: F'izay mamafy araka ny nofo ho lo
                   Tsy manantena ilay lova soa, satria
                   Fitiavana no lehibe indrindra,
                   Fihavana, 'zay vokatry ny Fanahy
                   No manome Fiainana tsarTsiky dia ampya
                   Miorina tsy manahy
                   Ka mitsangana, andeha re
                   Hiaraka haneho firaisan-kina
                   Hiray sento sy ny fifaliana
                   Amin'ny fiainana

2. Tsy ho fotoana very maina
    Ny fahavelomantsika
    Raha asa izay mamelon'aina
    Sy mampahery fo sy saina
    No hanehoantsika ny herin'i Kristy
            Ref: F'izay mamafy araka ny nofo ... (x2)

Mpihira : GAFLI
Mpamaky : 23
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Solofomandimby
Tamin'ny : 22/09/2022 18:12:58
ID : 14576

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo