Inay aho (Gabhy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(solo lahy)

Inay aho tsy nahalala anao akory
Ry olo-mandalo niserana ihany
Ny foko ato anaty dia toa oriory
Misento anao lava, misento anao hatrany.

         (refrain) : Ny endrikao, ny fitsikinao
                           Tsy afaka an-tsaiko hatramin’izao
                           Ny anaranao hafahafa izay
                           Tsy ho afaka am-bavako mandrakizay

Kanefa tsarovy f’indray andro any
Mbola hahatsiarovanao ny anarako
Ilay fo mitempo anao sy kotsan-tomany
Dia ho tsarovanao, tsarovanao rahavako

         (refrain) :  Ny endrikao, . .......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Gabhy
Vangy : 9761
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RAZAFINDRANAIVO Harilala
Daty : 22/10/2003 11:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1119