Anosipatrana malala (Fikambanan'ny Mpihira Zafindraonin'Anosipatrana FMZA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ry Anosipatrana malalaManan-daza sy be mahalala
Fiangonana ankalamanjana
Mora tazana, maha-tamana
Tsangambaton'ireo 'zay nitaiza
Misy ny havana sy ny sakaiza
2. Na lavitra na akaiky
Dia samy miara-manaiky
Fa tandindomin'ilay Paradisa
Ahitana ny soa tsy voaisa
Ny mijery anao mampifaly
Fa ny takona anao mampijaly
3. Marobe ny fiangona-malaza
Samy tsara sy maha-te hilaza
Fa ANOSIPATRANA ihany
Aminay re no tokana an-tany
Vavahadin'ny Lanitra eto
Ka raha takona anay mampisento
Izahay zanakao n'aiza n'aiza
Dia efa vita sonia,ao anaty
Matokia ry reny nitaiza
Ho tsarovan'ny fo mandra-maty
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Fikambanan'ny Mpihira Zafindraonin'Anosipatrana FMZAVangy : 12
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FalyFMZA
Daty : 26/01/2026 08:39
