Nandresy ny Tompo (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                Eeeeeee nandresy Izy e ×2
(Ary rehefa afaka ny andro Sabata,dia lasa nividy zavamanitra,Maria Magdalena sy ny namany mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesoa)
      
1.Indreto ny zavamanitra
Ho an'ny zanak'Andriamanitra
Dia i JESOA KRISTY
Nony tonga izy ireo
I Jesoa efa tsy teo
Fa ny vato nikodia(Eeeeeeee nandresy Izy e)
   Teo vao samy gagagaga
   Ka dia nifampiampanga,
   Fa toa lamba sisa no eo
   Ka dia nanontany tena
   Ka samy nihenahena
  Nitomany nitoreo(Eeeeee nandresy Izy e)

(Teo anatrehan'izany nisy anjely niantso an'i Maria Magdalena ka nilaza taminy hoe)

2.Etsy ianao ravehivavy
Ianao izay nitady
Hihaino tsiambaratelo
Resiny ny fasana
F'Izy dia nitsangana
T@ andro fahatelo(Eeeeeeee nandresy Izy e)
      Mandehana ianao,
      Mandehana ka lazao   
      Fa velona ny Tompo Tia
      Mandehana ka jereo
      Fa mialoha anareo 
     Izy ho an'Galilia(Eeeeeeee nandresy Izy e)

(Raha izay ary ny tantara tao anaty Baiboly,dia ity misy fanentanana sy hafatra fohy ho antsika)

3.Etsy henoy kely ange
Fa ho lazaiko an'ise
Ilay tena fandresena
Ny fahafatesan'i Kristy
Sy ny ra nalatsany
Io no tena famonjena(Eeeeeeeee nandresy Izy e)
    Ka manomboka anio
    Ireo ratsy rehetra ario
    Ka ndao hidera sy hanompo
   Manasa anao mitsangana
    F'aza mihanahana ndao hankalaza 
    An'ny Tompo(Eeeeeeeee nandresy Izy e)

Ref:Nandresy ny Tompo
       Na ny fasana aza tsy nahatohitra e
       Nandresy ny Tompo
       Vitany ny famonjena
       Ho ahy sy ho anao
       HALELOIA


A/C: Carini&Tina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fiderana
Vangy : 55
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tiannie27
Daty : 20/03/2025 10:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.4376