MPAMONJY TERAKA (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahiny tany Betlehema araka ny Baiboly
Nisy Mpamonjy teraka,teraka ao Betlehema
Famonjena lehibe ho an'ny olona
Izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay
Jesoa zanak'i Maria teraka Krismasy

Ireo Magy indray nahatazana fa nisy kintana iray
Izay nitarina azy ireo ho ao an-tranon'omby
Volamena sy miora ary zava-manitra
Natolony an'ilay Mesia ilay Rainy mandrakizay
Jesoa zanak'i Maria teraka Krismasy

I Heroda Mpanjaka kosa raha nandre fa teraka ilay Mpanjakan'ny jiosy
Dia nihorohoro izy sy ny fanjakany rehetra

Narovan'Andriamanitra ilay zaza teraka
Ka afa-doza izy ireo ka resy ilay ratsy
Famonjena lehibe ho an'ny olona
Izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay
Jesoa zanak'i Maria teraka Krismasy

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao
Nomeny ny lahitokana mba tsy ho very izay mino Azy

Tompo ô! Misaotra Anao izahay ry Tompo ô
Midera Anao tokoa fa lehibe
Tsy manam-paharoa ilay fitiavanao

(Lehibe ny fitiavanao)Tompo ô!
(Ry Tompo ô) misaotra Anao izahay ry Tompo ô
(Misaotra Anao izahay)midera Anao tokoa fa lehibe
(Ny fitiavana)tsy manam-paharoa ilay fitiavanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fiderana
Vangy : 161
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tiannie27
Daty : 13/12/2023 15:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751