Ndao hidera (FEOMAFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-‘Ndao hidera an’Andriamanitra
‘Lay nanome aina sy fo sy fanahy
Nahafoy ny Zanany, tokana malalany
Ho sambatra any am-parany
‘Zay rehetra mino sy matoky ny anarany

Dera, saotra, hoby sy hosana
Indro atolotray ho Anao
Raiso re ankasitraho
Ho tolotra fanatitra
Ho Anao Ray ô! Masina ao an-danitra

2-‘Ndao hidera ilay Jeso Kristy
‘Lay teraka tao Betleheman’i Jodia
Tonga hamonjy antsika ety
Jeso Tompo ‘lay Mesia
Ka asandrato ny hira vao
Ho fiderana ilay Mpamonjy anao

Dera, saotra, hoby sy hosana
Indro atolotray ho Anao
Raiso re ankasitraho
Ho miora zava-manitra
Ho Anao Jeso Zanak’Andriamanitra

3-‘Ndao hidera Fanahy Masina
‘lay mpanadio sy mpanavao ny fanahy
Irak’ilay Ray Tsitoha
Masina Mpamindra fo
Mpitaona anao hibebaka
Mpitarika sy mpamela heloka

Dera, saotra, hoby sy hosana
Indro atolotray ho Anao
Raiso re ankasitraho
Ho fehezam-boninahitra
Ho Anao Fanahy Masin’Andriamanitra

Fiderana avy ao am-po
Saotra tsy manam-paharoa
Hoby sy fankalazana
Apombanay ny hosana
Indro atolotray ho Anao
Raiso re ankasitraho
Ho fanoloran-tenanay
Ry Ray sy Zanaka Fanahy Masina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEOMAFI
Vangy : 45
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mientana92
Daty : 01/08/2024 18:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736