You are here: home > Tononkira > FEOMAFI

AMIN'NY FEO MAFY (FEOMAFI)

1 - Raha manana fananana aho
Dia avy Aminy
Ny saina sy ny aina
Voahariny
Ilay fanahy maha olona
Voajariny
Avy Aminy ka rariny
Ra ho deraiko ny Anarany.

Ref: FEOMAFI
Hidera anao ry Ray amin'ny
Feo mafy
Feo mafy
Hihira ny herinAo amin'ny
Feo mafy
Ho ren'izao tontolo izao
Izay haiko dia efaikoTsiky dia ampy Raiko hiderako anao
Tsy hiandrasako ny hafa ny asanAo
Ny geja sy ny sedra mety ho maro izao
Fa raha izao tsy mba ho lao
Fa mbola hihira ny herinao.

2- Mahasambatra manambatra
Mampifankatia
Ny fiderana anao ry
Jesoa Kristy
Fa tena iray tokoa izahay
Ry Ray o! Satria
Miaradia mifanampy
Midera Anao amin'ny feo mafy.

Ref:

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FEOMAFI
Mpamaky : 257
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mientana92
Tamin'ny : 26/11/2018 22:40:59
ID : 11172

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo