FA MANKAIZA (Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa mankaiza no tô ts'ita intsony ianaoDia voasarik'ireo mpanadala ve!
Sa sondrina amin'ity fiainan'ity!
No tsy hita, tsy re tatoato!
F'iza moa tsy nahalala reo andraikitrao
Teo anivon'ity fiangonana!
Sa odina tsy hita tsy jerena izany
K'aleonao manao izay tinao
REF:
Ry namako ôh, mankaiza ianao?
Miandry anao ny toerana,
Jeso Tompo anie no miantso izao
Faingàna modia dieny izao!
Mbola maro ny adidy miandry anao ao
Mila zoto sy fahavononana
De hitory ankira lay Jeso Kristy
Zay nampiray antsika tety
Dieny izao ary raiso tapaho ny hevitrao
Mbola misy ny fotoana isainana
Fa ra ho avy ny Tompo hanontany anao
Inona ary no havalinao?
REF:...
Tonony sy feony : Fenosoa RAVELOSON
--------
Lien: https://tononkira.serasera.org/hira/feo-mahafaly-ny-ziona/fa-mankaiza
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)Visites : 392
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mamybernard
Date : 13/08/2019 17:31
.jpg)