Fandresen'ny marina (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fandresen'ny marina

1/Fa nahoana no tazana foana ?
Ilay teny hoe : ady, ady
Anaty haino aman-jery ireny,
firifiry ny herisetra ?
Nambaranao ahy hatrany fa :
Tsisy voatsara, hamoa voa ratsy
Koa efa Zanakao izahay izao,
Tsisy ahasaraka ahy Aminao

(Reo tebiteby) Reo tebiteby 'zay nanjaka taloha,
(Efa nosoloiko )Efa nosoloiko finoana lalina
Ka i Petera nandatsaka ny haratony
No fakan-tahaka tokoa

2/Ireo vorona anaty ala
Moa misy ahiahy ?
Ireny ary zava-manan'aina
Manana ny anjara fitiavany,
Maika fa isika zandry
Zandriny tena mpanompo
Mijoro aho tena mahatoky
Raha ny Tompo no eo anoloanao

(IzahoJesoa) Indro aho hombanao n'aizan'aiza
(Fa fitahiana) Namiditrana mivoaka amin'ny Anarako
Fa Jehovah Andriamanitra manolotra :
"Fandresen'ny marina"

3/Ny fiainam-pahotana sy ireo ozona ratsy
Zay sakana tsy mampivoatra
Indro ariako ... tsy hanjaka
Teo ambonin'ny Hazo fijaliana Efa nahatsapa tokoa,
Fa zanak'Andriamanitra ianao,
Izahay koa : "miantoraka Aminao"

(Reo vokatra) Efa voa tsara no nambolenao tamiko
(Fa voa tsara) Indro namoha maro eto imasonao
Izao fotoam-piotazana izao tokoa anie
"Fandresena hitoetra"
Fa zezika sy kojakoja maro nikoloanao
Hanjary vokatra miantefa Amy izao tontolo izao
Fa Jehovah Andriamanitra Fitiavana
"Nampandresy toy izao"
Izao fotoam-piotazana izaotokoa anie
Fandresena hitoetra
Fa Jehovah Andriamanitra manolotra
"Fandresen'ny marina"
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FANANTENANA ANTSA-FI
Vangy : 32
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Touknambs
Daty : 04/01/2025 10:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0853