Miomàna (FANANTENANA ANTSA-FI)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miomàna Miomana hitsena an' i Jeso ... x3
1/ Tsy fantatrao anie, ny andro ny ora sy fotoana
Hatongavany eto an-tany.
Manontany foana : Rahoviana ny andro farany?
Ho tampoka ny fiavian' Izy Tompo
Rehefa miova fonenana ianao,
Tsy ny entana sarobidy ve!
No hafatratra, fihinina amy tady,
Fa tsy nyentana fanary
Koa samia ary vonona hitsena Azy isika,
Mila manana bagage, entina miaraka
Fa raha ny eny an-koditrao,
tsy ampy na oviana
Isika anie tsy tompony,
fa mpivahiny eto an-tany
Ref :
Koa samia ary vonona hitsena
Azy isika
Ny andraso (3), Tsy naman' i Jesosy
Koa samia ary vonona
Hitsena Azy isika
Hitsena an-kafaliana
Hitsena am-pitiavana
2/ Fa Jehovah no manome fahendrena
Avy amin'ny vavany
no ivoahan'ny fahaizana
Zava-miafina avy amin'ilay Tompo
Natolo ny tsisy sanda
Koa raha hainao,
ny mandray ny fahendreny
Ho sambatra tokoa, fa efa ao Aminao
Henik'i Jeso
ny aminao rehetra
Raha tonga Izy Ianao efavonona
Miomana hitsena an' i Jeso
Ref :
Koa samia ary vonona hitsena
Azy isika
Ny andraso (3), Tsy naman' i Jesosy
Koa samia ary vonona
Hitsena Azy isika
Hitsena an-kafaliana
Hitsena am-pitiavana
Miomana hitsena an' i Jeso ... x3
A/C : RAKOTOMALALA Clément
Février 2018
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : FANANTENANA ANTSA-FIVangy : 57
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Touknambs
Daty : 13/01/2025 09:17
