Kajikajy (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kajikajy

1/ Niezaka nanantona Anao, ty mpanomponao
Arak’izay tratran’ny sainy, fa tsara tokoa

Nanantena valim-pitia, novisavisaina tao an-doha
Kinajo tsy izay…, làlana hafa no niseho

2/ Toa sarotra ny nanaiky hoe: tsy anjarako iny andro iny
Nangatahiko taminao, fa tiako e …

Hay ny zavatra rehetra, misy fotoanany avokoa
Resy lahatra aho, fa làlana nosoritany ho ahy

Refrain:
Na dia hety, Ny làlana mankany Aminao
Jesosy ô, Vonona aho, hsedra hatrany,
Tsy hisalasala, handroso foana,
Ny teninao oe: “mahereza”. mampitraka ahy

3/ Ankehitriny, tena tsapako, hafa ny miorina
An’Andriamanitra, Ray Zanaka, Fanahy Masina

Ampianariny hihary, ny harena any an-danitra,
Ny kajikajy, Nesoriny ao an-dohako

Amin’ny farany
Ny kajikajy am-panahy, nariako e
Ny didinao hoe: “mifankatiava” no nasoloko azy
Ny teninao hoe: “mahereza” mampitraka ahy

Tonony: RAJAOHARINOSY Andrianavalona
Feony: Clément RAKOTOMALALA
Mpihira: FANANTENANA ANTSA-FI
Taona 2022
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FANANTENANA ANTSA-FI
Vangy : 96
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Touknambs
Daty : 01/02/2025 10:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0786