Indro (FANANTENANA ANTSA-FI)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro1/ Fony zaho nibadabada
Teo am-babena .... an-tsangory,
'Lay tsymahalala: "Tsy misy"
Nambaranao hoe: "Ndao isika hivavaka"
Rehefa nahalala ny mahasoa,
Natoronao ahy "Jeso"
Lay namonjy ahy sy ianao:
"Tena Fitiavana"
Tsy mba trano mirentirenty
Tahaka ny nahaterahan-tsika
Fa tonga Mesia am-panetrentena
"An-tranon' omby"
Fa tranon'omby mahonena tokoa
Feno fofona, loto tsy mendrika
Nefa tao ... Lay Mpanjaka
Lay Mpamonjy
2/ Any ho any Jeso ô
Maro ny tsy mahalala
Misy minia mikipy
Ka migalabona: "Amy ilay satana"
Inona no hataonay?
Hatonga ny teninao
Hipaka amy sofin'ireo
Mba hiova fo o
Zany no hanirahanao anay
Hilaza, hanely..... NY VAOVAO MAHAFALY
Eran' vazantany rehetra
Torio hatrany
Indro havaoziko anio izao
Fa vonona aho haraka Aminao,Ho irakao
Na dia fohy aza ... ny fetran'ny ..., Fisainako
Misaotra Anao 'zahay Jeso nampianatra
Nanome ohatra eo an-tananay
Lay Fitiavana tena Fitia
Fitiavana
Indro imantesanay hatrany hatrany
Ny mizara izany
Amim-panetretena
Fa izany ... no ankasitrahanao
Indro efainay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : FANANTENANA ANTSA-FIVangy : 88
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Touknambs
Daty : 01/02/2025 10:51
