Tsara loatra (Emit Mikalo Fiderana(EMIFI))

1. Misaotra anao Zanahary izahay nomenao ity tany misy anay eh
Lay tany soa sy sarobidy nomenao mba hitoeranay eh
Tsy nilanao tambiny taminay
Fa nohon'ny fitiavanao
TSARA LOATRA IANAO

Tsara loatra ianao
Lehibe Ianao

Tsy takatry ny sainay
Ny hahalehibiazanao ry Ray
Fa ny hany fantatray dia izao
Tsara loatra Ianao
Tsara loatra Ianao
Lehibe Ianao

2. Izao tontoloTsiky dia ampy rehetra izao na ny hita na ny tsy hitanay eh
Karazam-biby zava-maniry mbola Ianao no nahary izany eh
Ny andro izay manazava anay mbola Ianao
Ianao no nampisy izany
TSARA LOATRA IANAO

Tsara loatra ianao
Lehibe Ianao

Tsy takatry ny sainay ...


Ka tsy hainay ny tsy hidera Anao
Ka tsy hainay ny tsy hankalaza Anao
Misandratra amin'ny avo indrindra Ianao
Fa tsara, tsara, tsara loatra Ianao

Mpihira : Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)
Mpamaky : 87
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : fenosambatraelyse
Tamin'ny : 02/09/2021 10:52:34
ID : 13649

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo