Sarobidy (CNFF (Chorale Ny Feo Fihavaozana - FLMAK Ambohimena Antsirabe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Sarobidy amiko ny fitiavana Mpamonjiko
nietry ianao, nidina tety
nandao ny seza fiandriananao (Dia ny lanitra)
Tsy lapa soa no nivantananao
fa tranon'omby sy ahitra
Feno fanetren-tena tena mendrika Ianao
Ka omenay voninahitra
Dera ho anao, hidera aho, hidera aho, hidera aho
Ho fanandratako Anao
Jesosy ô misandrata amin'ny avo Ianao
ho reharehan'ireo izay tia Anao
2-Ty ny foko, tsy madio
iriko mba hitoeranao anio
toy ilay tranon'omby iray
feno loto nefa niavaka (lasa lapa vao)
be indrafo tokoa raha Ianao
Andriamanitra fitiavana
Feno fanetren-tena tena mendrika Ianao
Ka omenay voninahitra
Dera ho anao, hidera aho, hidera aho, hidera aho
Ho fanandratako Anao
Jesosy ô misandrata amin'ny avo Ianao
ho reharehan'ireo izay tia Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : CNFF (Chorale Ny Feo Fihavaozana - FLMAK Ambohimena Antsirabe)Vangy : 70
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Valova
Daty : 13/02/2025 14:18
