Hafatra (CNFF (Chorale Ny Feo Fihavaozana - FLMAK Ambohimena Antsirabe))

https://tononkira.serasera.org/hira/cnff-chorale-ny-feo-fihavaozana-flmak-ambohimena-antsirabe/hafatra

1- Misy hafatry ny Tompo nomena ho ahy sy ho anao
hampanjakao lay didin'Andriamanitra
Dia ny finoana, fanantenana, firaisan-tsaina koa
Dia ny fitiavana zay lehibe amin'ireo rehetra ireo


Mitsangana handeha hifandray tanana
hampanjaka ilay fitiavana fa hivondrona
hanTsiky dia ampyambatra ny hery
ho an'izao tontolo izao
ho tonga mpino iray hanjakan'ny FITIAVANA

2- Mbola maro no tsy nandre izao toriteny izao
fa sondrian-drendrarendra amin'ny haren'ny tany ireo
ka ny vola sy ny harena no ho tompoiny
fa ny herin'ny fitiavana toa tsy mba amin'izy ireo

A/C : Mihary/Natasha

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : CNFF (Chorale Ny Feo Fihavaozana - FLMAK Ambohimena Antsirabe)
Mpamaky : 10
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Valova
Tamin'ny : 14/10/2020 19:46:23
ID : 13101

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo