RENAO VE (Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry mavesatr’entana o avia
Hoy Jesosy Tompo malakia
Fa izaho hanome anao
Ny fitsaharana sy fiainam-baovao

Fa nahoana moa ianao mpanota
No mangatak’andro lava izao
Sao hadinonao fa ny ota
No mahafaty ka tsy hiantrana anao

Sao anio no hany mba fotoana
Mety hanantonanao indray
Io Jesosy fa efa mandondona
Mandona mora eo am-baravaranao

Renao ve, izany antso izany
Sa mody tsy manoina akory ianao
Misy fetra anie ny eto an-tany
Ka mba valio izy sao ho very ianao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA
Visites : 896
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : macmac
Date : 11/06/2015 09:42
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718