HISAORAKO (Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorako anao ry Tompoko
Ny nanavotanao ny fiainako
Fa efa lavo aho, no nakavinao
Hahita indray, fiainam-baovao

Ny fahotako e ! voasasanao tokoa
Ka nodiovin’ilay ranao soa
Am-pototry ny hazo nijalianao
No hanehoako indray hanompo anao

Isaorako anao ry Raiko tia
Ny nanoloranao tao Kalvary
Ny zanakao ilay malalanao tokoa
Ny havotr’aina ho famonjena soa

Ka anio no hanavaozako indray ry Ray
Ny fanompoako anao Mandrakizay
Tantano aho, hanaraka ny sitrakao
Ambany tanam-pitiavanao

Isaorako anao Fanahy o
Ny bitsikao mangina tao am-po
Nitaomanao indray ity mpanomponao
Hiverina ho am-bala indray

Tolory saina, hendry lalandava re !
Hahay hanompo n’aiza n’aiza aleha
Ho voninahitr’Andriamanitra tokoa
Ny andro sisa izay iainako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA
Vangy : 1893
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : macmac
Daty : 11/06/2015 09:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1868