FITIAVANA AMBONY (interpretation) (Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitiavana ambony dia ny mahafoy ny ainy
Sy manolotra ny fony mba ho an’ny sakaizany
Didy izay nomen’ny Tompo mifankatiava mifanompo
Tahaka ny nitavany antsika rehetra

Jesoa Kritsy tompo
Zanak’Andriamanitra voahombo
Na dia voahombo sady voakapoka
Nanome antsika tsy misy ady varotra ny Fitiavany

Fitiavana mirindra
Tsy atakalo tsy afindra
Nivavaka amin’ny fony, ho an’ny fahavalony
Didy izay nomen’ny Tompo : mifankatia, mifanompo
Namaly soa izay nanao ratsy antsika rehetra
Izay mankahala aoka ho havanina
Ny mpanenjika aoka hasoavina
Fa izany no tena fitiavana madio tsy misy pentina

Fitiavana tsy lefy, tsy voarara, tsy voafefy
Ny fitiavan’i Jesosy tonga hampiavana
Nampiray sy hampitovy n’iza n’iza e ? na zovy ?
Hamerina ny fo tsy nihavana rehetra
Tsy hifankahala intsony, fa hifamatotra
Fa ho tonga ankohonan’Andriamanitra
Na mpifahavaloaza dia hiara-dia
Mandrakizay doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA
Vangy : 1187
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : macmac
Daty : 11/06/2015 09:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743