Fararano fiotazana (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

https://tononkira.serasera.org/hira/cff-chorale-foibe-fpvm-taninanandrano/fararano-fiotazana

1 – Rehefa niharitra ireo fitsapana é !
Sy fisedrana mahamay
Ireo lalan-tsarotra nombana
Vita ihany izy izay
Fa tonga kosa ny ora fijinjana
‘Reo voa nafafy hatrizay
Ny finoana natao tsara tana
No nampitomboin’ny Ray

Fiv. Faly ny foko, faly é !
Te hitroatra hiantso mafy hoe
Tsy navelanao ho irery aho,
Hafa loatra ianao ry Ray
Rain’ny finoako,
Tsy namela ahy handre
Afa-tsy ny feon’ny fahendrenao,
Ka misaottononkira.serasera.orgra Anao izahay

2 – Ireo taona maro nampangina é !
Vao mainka koa nampifoha
Ka ny tendrom-po izay Notsindriana
No nanondraka ny voa
Fa nisahirana nikarakara e
Niasa tamin-kitsim-po
He namafy teny an-tany tsara
Ka nijinja voka-tsoa

3 - Lalam-baovao izay migodana é !
No nidiavinay  izao
Nofenoinao fampanantenana
Sy fiainam-baovao
Fa Indro tazana eto ilay Kanana é
Nampanantenainao ry Ray
Satry foana hihira fiderana
Mba hisaotra anao zahay.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Mpamaky : 922
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mbahoirayihanyizyrehetra
Tamin'ny : 10/04/2016 12:02:00
ID : 8243

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo