Andrasako eto (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

Misamboaravoara ny fiainanay ety
Mangorohoro ny fo
Mamely mafy ny tafiotra mamily ny dia
Nefa mba ho aiza moa?
Ranomasimbe no diavinay ety
Lavitra ny làlana
Trotroy antratranao ry Ray
Tsy ho rendrika aty, ho tody soa Aminao

Fiv.
Andrasako eto Ray ny indrafonao
Fantatro fa tsy mba miangatra Hitononkira.serasera.organao
Ampy ho ahy lay teninao mamy
Hatramin'izao lzaho no hombanao
Sady hamonjy anao Ouhoo...

Rehef'injay ka mafy ny adinay ety
Mila ho kivy ny fo
Mahery loatra ny ankason'ity tany ity
Mamingana ahy koa
Ilay topimasonao Ray no andrasako
Hanafy hery vaovao
Nefa ny ampitso eo Aminao
Dia tsy fantatro manaiky 'zay sitrakao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano)
Mpamaky : 1937
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mbahoirayihanyizyrehetra
Tamin'ny : 15/04/2016 16:19:07
ID : 8370

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo