You are here: home > Tononkira > BOKIN-KIRA FIDERANA

Mivavaka aminao aho Raiko (BOKIN-KIRA FIDERANA)

1.
Mivavaka Aminao aho Raiko ô!
Mitalaho, miangavy raha azo atao
Hamarino, hamasino
Hiampify eo an-tratranao
Malama maina anie ny tany Ray
Halalaho, hazavao re ny saiko
Tomoera fahendrena
Ka ombay ny elatrao Ray

Fiv..
Indro aho Ratko ô
Manoto-tena mba ho Anao
Santatra ampifatiana indray .
Lay tanàna kanto loatra
Henika ny anjely martononkira.serasera.orgo
Hafaliana, hamamiana, fitsikiana
Fitoviana, fitoviana ananana
Mino aho Ray ô ! mino aho Ray ô !
Mino aho Ray ô ! fa homba ahy Hianao

2.
Mba jereo ity fiainan janakao
Aza avela hanjeny toy ny tadio
Sakambino moramora
Ka ho tena tsara fihafara
Tsofy rano re'ty sombiniaina
Tsy ho resy fa handresy r'ilay Nahary
Ho tantely, ho modely
Mba ho voninahitrao ry Ray .

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : BOKIN-KIRA FIDERANA
Mpamaky : 323
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mbahoirayihanyizyrehetra
Tamin'ny : 10/04/2016 20:32:40
ID : 8270

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo