You are here: home > Tononkira > BOKIN-KIRA FIDERANA

Izaho tsy hiala aminao (BOKIN-KIRA FIDERANA)

https://tononkira.serasera.org/hira/bokin-kira-fiderana/izaho-tsy-hiala-aminao

1.
Na ho sarotra aza a! , izany lalana a!
Izaho tsy hiala Aminao e!
Na hiakatra saro-dalana
lzaho tsy hiala Aminao; e!

Fiv..
Ho any amin'iza indray moa aho e!
Hianao re ilay tena fiainana a !a!a! (x2)
Ny voady efa nekeko
Ny fo efa nomeko
Izaho tsy hiala Aminao e!
Ho anao hatranytononkira.serasera.org, hatrany,
Raha mbola eto an-tany
Izaho tsy hiala Aminao e

2.
Na hiala aza , ireo namana a!
Izaho tsy hiala Aminao e!
Na izaho irery sisa , no hivavaka
Izaho tsy hiala Aminao

3.
Na tsy takatro aza , ny fitondranao ahy
Izaho tsy hiaia Aminao
Na tsy fantatro aza ,
Izay mbola hataonao
Izaho tsy hiala Aminao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : BOKIN-KIRA FIDERANA
Mpamaky : 715
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mbahoirayihanyizyrehetra
Tamin'ny : 11/04/2016 19:13:49
ID : 8294

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo