Miandry anao (Asafa KTLM Benivary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ry namako ôh, nahoana no miodina loatra ianao
Maniasia, mandositra loatra ny tavan'Ilay Mpamonjy
Naleonao nandia lalandiso tsy mendrika anao
Manimba anao, hanenina anie any aoriana

Refrain
(Efa ela no niandry) Efa ela anie, efa ela ny Ray no niandry ano
(Mbola manantena) Mbola manantena ny mba hiverenanao
(Tsy sasatra Izy eh) Ary tsy mba sasatra izy mamindra fo
(Miandry anao) Miandry anao, miandry anao Ilay Ray Tsitoha


Lyrics
Namako, malahelo anao loatra ny Tomponao
Onena anao Izy, ary mitomany satria tsy mahafoy anao
Tsy tantiny ny mahita anao tsy eo Aminy
Ary tena sitrany ny hiverenanao indray
Ka anio ary, ny Tompo dia miteny aminao
Mibitsibitsika ao anaty fonao ao Izy
Fa fitiavana lehibe dia lehibe no anton'izao fiantsoany anao izao
Ka raha sitrakao dia miverena fa ny Tompo MIANDRY ANAO

Refrain........
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafa KTLM Benivary
Vangy : 202
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : SainaRH
Daty : 13/06/2025 19:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2262