Mpandresy (Asafa KTLM Benivary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Iaraha-mahalala izao fa mafy ny adim-piainanao
Mafy sady sarotra tsy mba misy izay hitarainana
Sento lava sy toreo no indreo fa miverimberina
Aza kivy mitrakà ianao ny Tompo no momba anao

Refrain
Mpandresy ianao , mpandresy ianao miaraka am'Ilay Ray
Na mafy aza ny ady atrehanao tsy ho mandrakizay
Apetrao Amin'ny Ray ireo olana mavesatra mamay
Matokia aza manahy fa Izy no hiady ho anao

2- Tsarovy fa na mafy ny adinao
Tsy handao ny Ray
Ilay Jesosy sanatria tsy hanary anao
Tsy handao, tsy handao
Fa Izy no hiady ho anao, fa ianao kosa hangina
Hanampy anao ny Ray

Refrain.......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafa KTLM Benivary
Vangy : 105
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : SainaRH
Daty : 13/06/2025 19:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0987