Tongasoa (Asafa KTLM Benivary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tongasoa indray ianao namanay
tafahaona am-pifaliana aminay
Haravoana sesilany no indro tazanay mameno ity Tranon-dRay
Hafaliambe mameno ny fo
Tsy hay tantaraina fa eh! Mirana avokoa
Na ny kely na ny lehibe , 'ndeha re hiara hihira hoe
"dera ho Anao Ry Tompo Lehibe"

Refrain
Fa Ianao Jesosy ôh no nanome
'Zao tombon'andro mbola hiainanay izay
Saotra ho Anao ry Jesô Tompo Lehibe
Zay mbola mampihaona Anay indray ato antranon' i Ilay Ray

2- Tolory avokoa ny adintsainao
Ento eo Amin'i Ilay Tomponao
F'izy no nanome toky zay manantona
Azy de Izy tsy manda
Hafaliambe mameno ny fo
No hiainanao raha toa mandray Azy tokoa
Na ny kely na ny lehibe , 'ndeha re hiara hihira hoe
"dera ho Anao Ry Tompo Lehibe"

Refrain  ......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asafa KTLM Benivary
Vangy : 178
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : SainaRH
Daty : 13/06/2025 19:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.085