Mifona re (Asafa KTLM Benivary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsy mendrika aho na hiantso ny Anaranao
Noho 'reo fahotana vitako hatrizay
Kanefa re Jesosy ôh, hifonako Aminao
Mandoalika Aho mivalo mitalao
Haiko fa Ianao tsy mba mandao
Toa noararaotiko ny fahatsoranao
Androany aho Jesosy ôh manantona Anao
Mifona re ka mba avelao heloka

Refrain
Ry Jesosy Tomponay ôh mba henoy
Iantrao na mpanota tsy mendrika Anao
Mba mangata-pamelana heloka
Miondrika imasonao re , maloto ka sasao AMI-RÀNAO

2- Tsy ho avy hiantso olo-marina ny Tomponao
F'ianao mpanota no ilainy hibebaka
Raha toa manantona ianao ka vonona hiova
Mandray anao ilay Mpamonjinao
Atolory Azy avokoa , ento ho dioviny ny saina sy ny fo
Ekeo reo fahotanao , ekeo ny helokao
Ka lazao hoe "Jesosy ôh , MIFONA RE"

Refrain.....

Indro aho Jesosy ôh, manantona Anao
Entiko an-tananao ireo ota sy ny heloka
Mba manana an'iza moa aho afa-tsy Ianao
MIFONA RE RAHA SITRAKAO

Refrain......  
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Asafa KTLM Benivary
Hits : 137
Likes : 1 Like
Created by : SainaRH
Date : 13/06/2025 19:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0715