ANDRIAMANITRA O (APF TANGAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra o!! Andriamanitro Ianao
Mitady Anao fatratra aho
Mangetaheta Anao ny fanahiko
Maniry Anao ny nofoko

Henoy ny feoko
Raha mitaraina aho
Amin'ny hetraketraky ny tany
Hafao amin'ny fahavalo
Toroy sy ampio mba tsy himalo
Fa ny herinao no hitokianay

Ianao Jehovah o, no hitokiako
Hitantana ny diako
Manantena aho fa ho raisinao satria
Mahay mamindra fo Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APF TANGAINA
Vangy : 735
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nomenasyaina
Daty : 30/08/2019 16:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723