AODY (ANTSON'NY FAMONJENA (F.K.P.M.V. MAKEDONIA FAMONJENA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aody ao e,
Aody nareo rahondriana e???
Misy olona ve no tsy re feo ny tanana
no sady mangina???
Tonga izahay,tonga hizara ny fiadanana
Avy amin'ilay Ray izay mpamonjy antsika
Nampimposaka ny andro mba hibaliaka
Salama eeeee (3)

Tiany izaho e,tiany ianao e
Matoa mbola tonga mandondona isan'andro ny antso ho anao e
Koa tapaho e,ny hevitrao e
Mba tsy ho neninao rehefa ao afara
Tsisy azo atao e

Ndeha hisaory ilay Tompo Mpahary
Fa Izy irery ihany no nahalavorary
[ny zava-drehetra]
Tsy ho variana fotsiny hitady ny arapaka,
Hanonkampotoana, hanompo sy hivavaka
[zany mihitsy e]
Fa ny tany tsy hitoerana mandrakizay,
Fandalovana ihany dia hody vovoka indray
[koa miambena]
Araraoty ary ny andro azo anaovana soa,
Raiso Jesia dia fikiro ao am-po
[zany mihitsy e]

Etsy ange,etsy nareo rahondriana e
Misy toerana ao am-ponao ihany ve ilay Jesoa sa ianao tsy mba liana a???
Sao variana, variana manjeny ny andro ho lava a
Ka lasa tsy mba tsaroanao intsony
Hoe misy ilay Ray mpiahy ao ambony,
Tandremo eeee (3)

Tiany izaho e,tiany ianao e
Matoa mbola tonga mandondona isan'andro ny antso ho anao e
Koa tapaho e,ny hevitrao e
Mba tsy ho neninao rehefa ao afara
Tsisy azo atao e

Ndeha hisaory ilay Tompo Mpahary
Fa Izy irery ihany no nahalavorary
[ny zava-drehetra]
Tsy ho variana fotsiny hitady ny arapaka,
Hanonkampotoana, hanompo sy hivavaka
[zany mihitsy e]
Fa ny tany tsy hitoerana mandrakizay,
Fandalovana ihany dia hody vovoka indray
[koa miambena]
Araraoty ary ny andro azo anaovana soa,
Raiso Jesia dia fikiro ao am-po
[zany mihitsy e]
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTSON'NY FAMONJENA (F.K.P.M.V. MAKEDONIA FAMONJENA)
Vangy : 338
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kevin Razafindrakoto
Daty : 14/02/2022 22:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2744