Tsy nomenao ahy (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mifankahalala izaho sy ianao
Eny efa hatramin’ny taloha
Fa samy hafa ny fiainana
F’ianao dia niova fo
Izaho ilay be loha
Ianao mahalala an’i Jesoa
Hitanao ny fiainako, fantatrao ny fisainako
Fa feno hadalana, sady rako-pahotana
Teo foana ianao, naira-niaina
Nifampizara ny manta sy ny masaka
Nefa nojerenao fotsiny aho
Hitanao fa mbola voafatotra

Tahotra ahy ve? Sa henatr’ihany koa
No tsy nanambaranao, ahy an’I Jesoa
Tsy nomenao ahy ilay tena harena
Tsy nomenao ahy ilay tena fitiavana
Tsy nomenao ahy ilay famonjena
Fa nafeninao ilay fiadanana

2- Nomenao ahy ny volanao, nafoinao ny lambanao
Eny fa na ny ainao aza dia mbola atolotrao
Toa foinao avokoa toa tena namana tokoa
Vitanao ny fiainako, dia izay rehetra itarainako
Fa toa ivelany ihany, misy fetra eto an-tany
Tao zatra aho, niantehitra ny fanohananao rehefa reraka
Nefa mbola banga ihany izany
Tsy nasehonao ahy ilay mpanafaka

Tahotra ahy ve? Sa henatr’ihany koa
No tsy nanambaranao, ahy an’I Jesoa
Tsy nomenao ahy ilay tena harena
Tsy nomenao ahy ilay tena fitiavana
Tsy nomenao ahy ilay famonjena
Fa nafeninao ilay fiadanana


Tsy nomenao ahy ilay tena harena
Tsy nomenao ahy ilay tena fitiavana
Tsy nomenao ahy ilay famonjena
Fa nafeninao ilay fiadanana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 486
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LouvRkt
Daty : 07/01/2020 13:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729