You are here: home > Tononkira > Antsafi

Tsy miafina (Antsafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/antsafi/tsy-miafina

Tsy misy miafina izay tsy aseho na mety ho takona izay tsy ho hita
Na ny ao anaty na ivelany eo na be na kely heloka vita
Mazava sy miharihary tokoa ny toetra vaovao na ireo taloha
Samy tsoaroany tena tadidyny misitery ny fo izay mihidy

Mamantatra voa sy fo anie Izy
Mahalala ny setroka sy tomany
Tsy hanafenana pentipentina tsiny
Nahoana no dia manafi-toetra toy izany

Tsy izay rehetra mahay miteny dia ary ho marina avokoa
Endrika ivelany ihany ireny ny Tompo Jesoa mijery ny fo
Tsy takon’ny fiatsarambelaTsiky dia ampytsihy amin’ny fanaovana asa soa
Tsy sarimihetsika mody mitia kanefa dia tena mandefona ivoha

Mamantatra voa sy fo anie Izy
Mahalala ny setroka sy tomany
Tsy hanafenana pentipentina tsiny
Nahoana no dia manafi-toetra toy izany

Aoka ny sofin’izay mandre dia hanana fahadiovam po
    Fehezo ny saina tsy tokony handeha miborika amin’ny lalan’ny tsy mpankato
  Ny havonavona sy ny lonilony, ny fiheveran-tena ho ambony
  Ny fitsiriritana anaty aoka ialana fa mahafaty

Mamantatra voa sy fo anie Izy
Mahalala ny setroka sy tomany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsafi
Mpamaky : 102
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : LouvRkt
Tamin'ny : 11/01/2020 11:05:59
ID : 12376

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo