tena mivavaka (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapa ry Tompo fa tena tsy t@ ilay hevitra hiheveranao
Tsy izay no nizorana fa nanita-dalana
Tsy nankato fa nanao ivoho ny fampianaranao
Nihevitra mantsy fa efa tena miorina
Natoky tena fa ny halemena dia tsy mba fahotana
Indrisy mpitory nefa difotry ny hadalana
Ankehitriny aho mahatsiaro menatra ary dia tonga saina
Nanao teo imolotra ‘zay mba fahalalana soa Jesoa fa mpamindra fo
Nanaiky am-pitiavana ka namela heloka
Ny andro very dia neniko ireny ka indro aho mitsangana
Nifoha tamin’ny torimaso ka vonona hanonitra

F’izaho kosa e! tsy maintsy midera Anao
Ka han antontosa e! zay nampanirahinao
Ka ny ho avy rehetra e! zay mbola havelomana
Ho enti-manefa e! ka aina no fetra

Ianao koa izay milaza fa izaho dia mivavaka
Tsarovy fa masina ny Tompo Andriamanitra
Raha hananihany f’izay tianao ihany
Ka tsy mba handraharaha
Mba manana tahotra fa sao hanenenana
Ny sitrapony izay nohenoina ary hankatoavina
Fa raha olona nantsoiny dia tsy tompon’ny tena intsony
Anio ary ry mpihaino malala tsy misy ankanavaka
Tapaho ny hevitrao hoe tena hivavaka
Rehefa manompo dia tena manompo
Fa tsy antandrevaka na hanao kilavaka fa tena hibebaka
Ny fahotana ndeha ialana ka aneneno re
Manomboka izao indray ndao hiara-hihira hoe:
F’izaho kosa e! tsy maintsy midera Anao
…………….
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 779
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 27/11/2015 19:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743