You are here: home > Tononkira > Antsafi

Tany sy lanitra (Antsafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/antsafi/tany-sy-lanitra

TANY SY LANITRA
Fifaliana any an-danitra any ny fibebahana
Raha toa tena mety marina hiova fo
Anjely tsy omby alinalina no indray miredona
Midera sy mankalaza ny Ray Tsitoha
Feno setroka ny alitara amin’ny fihobiana
Fa zanaka very no indro ka hita indray
Tsy nofy fa tena miaina ilay faniriana
Ka tany sy lanitra avy no mifandray
Manomboka ety an-tany fa sao variana
Raha hampifaly lanitra ihany koa
Ianao dia tiany mantsy ho tongTsiky dia ampya andiany a!
Lay avotra tafatsangana sy nifoha
Atambaro mba ho iray re ny fitobiana
Ho samy anaty vala avokoa
Hiakanjo miavaka ilay fanamiana
Dia fotsy mangatsakatsaka sady soa
Mahantra raha toa ka tany no hofidiana
Izany dia tsy haharitra sy hikoa
Ny lanitra ary finaritra tsy vidiana
Zay manatona mbola raisiny an-tanan-droa
Izany no lalan-tokana efa nomena
Izany fa aza atao kitoatoa
Zay mino sy atao batisa no hovonjena
Miaraka koa mandova amin’ny Jesoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsafi
Mpamaky : 467
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zoandrianina
Tamin'ny : 25/08/2015 15:58:45
ID : 7678

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo