tandritandrema (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahery tsy maody tsy ela velona
Mba tandritandremo lahy, mba tandritandremo re!
Arovy tsy ho azon’ny mpaka maro
Satana mpandrombaka, mpangalatra fahefana
Ndrao lasa any amin’ny helo any isika e!
Raha lasa any ka izay re no vita e!
Tsy takona fa ny atao ihany no hita e!
Anio ary dia farano ny ditra e, ie!

Ny lala-malalaka sy toa migodàna
Toa olona marobe no indro mizotra ho any
Taominy ianao handeha amin’ny filàna
Raha toa ka tsy miambina dia lavo amin’ny fahotana
Tandritandrema iaby zandriko ô!
Mahimahiana iaby zokiko ô!
Tandritandrema iaby endriko ô !
Mahimahiana iaby abako ô!

Ny saka manafi-koho dia hahita angano
Ny mpanompo tompo roa, ny mpanara-drenirano
Ireo mpijangajanga sy mamo lava
Raha toa ka tsy miova fo, ho ringana avokoa
Ndrao tahaka izany koa ary isika e!
Revo amin’ny haitraitra sy ditra e!
Mandeha anie ny ora sy ny minitra e !
Izay no mahatonga anay hikiaka e, ie !

Any aminao no misy ny lakile, na hiara-hiakatra
Na kosa afobe, safidy ny te hifaly na hitomany
Antomotra ny fotoana, mahimahina ihany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 779
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 27/11/2015 19:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4076