Mpandresy aho (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mihoatra ny mpandresy aho ao Aminao Jesosy ô!
Aroko sy tanjako zay fiereko
Tsapako f’Ianao tokoa no mampijoro amin’izay manjo
Inona moa no mbola hatahorako
Fanahy mahery sy finoana tsy ho rava
No atafinao ho an’izay mino Anao
Hany ka tsy mihontsona n’inona ady mifanontona
Fa dia mpandresy foana hatrany

Fony tsy nahalala anao dia nanaiky hilavo lefona
Ka dia feno hakiviana sy fisentoana
Ankehitriny tsy izany intsony ny toerana izay ijoroana
Fa fanjakana lavitry ny horohoro
Anjely maro manodidina foana
No atobinao miaro ny mino Anao
Hany ka tsy mihemotra
Manatratra ilay fenitra
Dia ho mpandresy (2x) hatrany hatrany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1618
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 02/09/2015 23:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.342