Mitoria filazantsara (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho sy ianao, isika rehetra izao no iantefan'ilay baikon' I Jesoa kristy
Hoe mandehana mitoria filanzatsara ka dia vontosy ny nosy Madagasikara
Tena mila izany ty nosintsika ity, ampajakao ilay Fitiavan' i Jesoa Kristy
F'Izy anie 'lay tokana manome fiadanana, hitondra fanavotana, famonjena ho anao sy ho ahy

Atolory Azy tsisy fetra fo fanahy nyhery rehetra
Hanaovana ny asa fitoriana, Izao sy ianao tsy mba hangina
Fa hitory sy hanambara am-pitiavana tokoa
Fa hafa ihany e! zalahy ny miaraka amin'ny Jesoa

Izaho sy ianao, isika rehetra izao no iantefan'ilay baikon' I Jesoa kristy
Hoe mandehana mitoria filanzatsara ka dia vontosy ny nosy Madagasikara
maninona moa raha miara miezaka hanavao fisainana, fiteny, fihetsika
Hanao 'zay hampandroso ny Fiangonana, ka handova ny lanitra no tanjona hiombonana

Atolory Azy tsisy fetra fo fanahy nyhery rehetra
Hanaovana ny asa fitoriana, Izao sy ianao tsy mba hangina
Fa hitory sy hanambara am-pitiavana tokoa
Fa hafa ihany e! zalahy ny miaraka amin'ny Jesoa

Atolory Azy tsisy fetra fo fanahy nyhery rehetra
Hanaovana ny asa fitoriana, Izao sy ianao tsy mba hangina
Fa hitory sy hanambara am-pitiavana tokoa
Fa hafa ihany e! zalahy ny miaraka amin'ny Jesoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 523
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LouvRkt
Daty : 08/01/2020 22:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739