Mandalo ihany (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He! Tsinotsinona re raha ny aina
Inona moa izaho sy ianao ‘zay miandry hojinjaina
Fa vovoka no niandohana k’hiverina ihany
Zao nofo izao dia hiraraka ho vovotany
He! Tsinotsinona re raha ny aina
Mandalo sy mihelina ihany ka mbola ho maina.
Ireo Havana, tapaka maro
Zatra nifanerasera efa lasa nandalo
Ianao ve tsy mba lasa saina fa tsy azo hidifiana?
Ny fahafatesana anie ka tsy miera, fa maka mangina!
Ka ny tsy azo hoe hadinoina:
Maninona izaho sy ianao no tsy mbola nantsoina?
Famindram-po mbola omeny hatrany
Tsy hararaotina ka dia ho lany,
hiahiana ny nofo ka hahatanterahana koa ny filàny
Ndrao fahafatesana tampoka anie ny tambin’izany.
Raha ao koa ny aina sy ny hery rehetra
Hanompoy ny Tompo tsy hisy fetra
Ho tia amin’ny fo sy ny sainy
Ary koa ny fanahy
Mba tena ahazoantsika ilay fiainana mandrakizay
Ka raha matoky amin’ny kely ianao
Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao
He! Matoa ianao velon’eto!
Misy ny tokony hosainina k’heritrereto!
Ataovy ny safidinao dieny mbola tsy tara
Ny nenina anie tsy ho eo aloha fa ao afara
Fa tsy tompon’ny ampitso ianao
Ratsy ny maty tsy mino; tsy misy azo atao
Raha nandre ianao dia malakia
F’efa eo am-pototry ny hazo anie ny famaky
Sao ho tonga amin’ny Tanjona izay tsy niriana
Ho faty mandrakizay fangirifiriana
Ho tratra aoriana ny andraso lava
Famindram-po no mbola omeny hatrany
Ka toy ny fiainan’ny mpangalatra tsy mampilaza.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsafi
Hits : 940
Likes : 0 Like
Created by : zoandrianina
Date : 25/08/2015 13:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724