iza moa Jesoa (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ataonao iza moa Jesoa
Iza marina moa aminao e?
Mba fantatrao ve izay ivavahanao?
Fantaro tsara izay inoanao
Endrika sy hamantarana
Fa fantatrao Andriamanitrao e!
Dia ianao manda sy tsy mihosina
Amin’ny ota sy fakam-panahy
Fisarangotana mpamonjy ihany ve?
Ka dia natao hahavonjy poritra
(Marina) izay no antony hivavahanao e!
Fiainam-panahy tsy mampangovitra
Tsarovy izay mivavaka Aminy
Dia am-panahy sy fahamarinana
Mila fantatrao ny fahoriany
T’ambony hazo fijaliana
Marina f’Izy fa mpamindra fo e!
Ary be fitiavana ihany koa
Kanefa halany ny fahotana
Izay no maika ka dia andao ialana
Izay no antony nidinany
Nandaozany ny voninahitra
Ahatonga anao ‘lay farahidiny ho lasa zanak’Andriamanitra
Katsaho aloha ny fahamarinany
Hihavao ny fanolora-tena hatrany
Mitafy ny fahamarinany
Hanampy anao izany rehetra izany

Ny hilana an'i Jesoa dia mahavariana
Fa natao ho filan-javatra
Dodona mitady fitahiana
Finoana tsy hita taratra


Ny alahelony noho ny aminao
Izay tafasaraka amin’ny Ray
Ampody anao an-trano izay nandao
Mba handovanao ny mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1047
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 27/11/2015 19:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3094