IMPIRY (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
IMPIRY
1/ Efa impiry ianao zay nanota tamiko
Ny toetranao hatrizay no tazaniko
Efa impiry efa impiry eh
Nivalo sy nifona
Efa impiry ny hoe tsy amerina intsony

Sainga am-bava ihany ireny
Teny ivelany ihany
Fa ny toetra sy fiteny
Hita hoe mananihany

Fiv :(Fa nataonao kilalao eh lay fitiavana anao
INdrisy nohararaotinao eh lay Andriamanitrao)*2
Fa mbola (hamindra fo)2 foana aho
Fa mbola ( hamindra fo)2 aminao
Toa tsy ho tantiko ny hahitanao very
Ka ho zakaiko ireny ditranao reny
Hoy Jesoa tia

2/Efa impiry ianao zay no andeferako
Nohononiko taminao ny fahatezerako
Efa impiry*2 tsy voatanisa tokoa
Efa impiry ianao zay no namndrako fo

Nefa tiko ho tsapanao ny fiaretako hatrizay
Raha tsy fiantrako anao dia
Efa taiza ianao toa zay

Fiv : Fa nataonao kilalao eh …
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 466
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LouvRkt
Daty : 26/03/2021 16:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732