You are here: home > Tononkira > Antsafi

finoana (Antsafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/antsafi/finoana

Finoana ihany anie no takiany any aminao (na mafy ny manjo)
Na dia mila hahakivy ny fo, miharatsy ‘zao fiainan’zao
(fikiriko Jesoa soa)
Atodiho hijery an’i Jesoa hatrany ny masonao (aza kivy mandrosoa)
Aza mihemotra fa matokia fa Izy tsy mba mandao.
        Misy feo marobe, miverimberina ao an-doha
        Fa nahoana loatra re no toy izao ny fiainako?
        Toa sento sy tomany, fahoriana Tsiky dia ampyhatrany, tsy misy fiafarany!
        Tsarovy fa!
Tena tamin’ny fo tokoa no niangaviako an-tanan-droa
Nibebahako avokoa ny ratsy vita teo aloha
Mba hahitana rariny, Kabary tsy hay valiana
Mainka fa fahoriana, tsarovy fa
         Lalam-piainana ety, misy ny ady hatrehana
         F’izay mino an’i Kristy dia manana ilay tehana
        Ka tsy misy ahiana, feno fahatokiana
        Mpandresy hatrany hatrany, tsarovy fa:

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsafi
Mpamaky : 412
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zoandrianina
Tamin'ny : 27/11/2015 19:13:18
ID : 7698

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo