Fantatrao (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

https://tononkira.serasera.org/hira/antokom-pihira-vetsoni-siona/fantatrao-1

Fantatrao ny amiko rehetra Ray ô

1. Fantatrao ny amiko rehetra Ray ôh,
Fantatrao tsy misy miafina ny ato am-poko,
Ny amiko, ny lasako, ny ho aviko,
Tsisy miafina aminao avokoa,

Ref. Asehoy re ny endrikao,
Te hiaona Aminao aho,
Tiako ery ny hifanatrika Aminao,
N'aiza n'aiza misy ahy,
Dia ho maivana amiko hatrany ny fiainako rehetra

2. Tebiteby ahiahy ny fiainako Ray ôh,
Isan'andro isan'ora tsisy farany,
Raha eo Ianao dia tsoriko fa hisinda izatononkira.serasera.orgny,
Tokiko ny fahitana Anao.

Ref. Asehoy re ny endrikao,
Te hiaona Aminao aho,
Tiako ery ny hifanatrika Aminao,
N'aiza n'aiza misy ahy,
Dia ho maivana amiko hatrany ny fiainako rehetra

3. Hafaliana haravoana ho ahy ry Ray ôh,
Na dia ny mieritreritra ny anaranao,
Fantatro, tsapako fa eo Ianao,
Hanaposaka ny fitiavanao.

Ref. Asehoy re ny endrikao,
Te hiaona Aminao aho,
Tiako ery ny hifanatrika Aminao,
N'aiza n'aiza misy ahy,
Dia ho maivana amiko hatrany ny fiainako rehetra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antokom-pihira Vetson'i Siona
Mpamaky : 223
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : t-rex15
Tamin'ny : 26/06/2019 14:01:00
ID : 11840

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo