TSY HO FOANA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho foana ny fanantenako
Raha mbola eo Ianao Jesoa
Ny tsorakazonao mahery
No mahafatahotra ahy
Ny teninao re ry Ray o
No kitro hifaharako
Ny tanano no iriko
Antenaiko mba hitantana ahy

Ka n'aiza n'aiza alehako
Tsy ho kivy, tsy hanana ahiahy
Ny teninao no faniloko
Aina mamelombelona ahy
Ambany helatrao Ray o
No tiko hialofako
An-tratranao Ray mahery
Iankinako mandrakizay

Raha hiainga aho Raiko o
Hamakivaky lohasaha
Ny masona mitsilo ahy
Manazava ny diako ary
Na sarotra aza ny lalako
Na mafy aza ny manjo
Matoky aho manana Anao
Ray mpiaro tsy mba mandao

Ka n'aiza n'aiza alehako
Tsy ho kivy, tsy hanana ahiahy
Ny teninao no faniloko
Aina mamelombelona ahy
Ambany helatrao Ray o
No tiko hialofako
An-tratranao Ray mahery
Iankinako mandrakizay

Michel RAKOTOARISOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 966
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zeea
Daty : 31/07/2018 09:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2035