TOMOERA AMIN'NY TOMPO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tomoera amin'ny Tompo ianao
Aza miala amin'ny teniny
F'Izy anie tia dia tia
Hanome fitiavana ho anao
Ny finoanao no hatanjaho
Tsy hivilivily na handao
Jesoa irery anie no afaka hanome
Famonjena anao

Ny ady tsara izay atrehanao sy ny hasasaranao
Ny aina izay hikelezanao, hody hasambarana
MPANDRESY, IANAO
Satria no Tompo mitsinjo anao

Ny fonao ny aminao rehetra
Atolory Azy tsisy fetra
Jesoa irery anie no afaka hanome fiadanana ho anao
Ny finoanao no hatanjaho
Tsy hivilivily na handao
Jesoa irery anie no afaka hanome
Famonjena anao

Ny ady tsara izay atrehanao sy ny hasasaranao
Ny aina izay hikelezanao, hody hasambarana
MPANDRESY, IANAO
Satria no Tompo mitsinjo anao

Jean Fils RAKOTOMALALA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.084