Rehefa Ianao (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa Ianao no miteny
Ka mikasika ny foko
Dia tsaroako toa misinda
Ireo jaly sy toloko
Tena afaka ny gadra
Izay mamatotra ny fo
Nivaha ny fatorana
Izay efa nampamohy fo

Izay rehetra olam-piainana
Te hamatotra hambabo
Na koa te hiazakazaka
Mba hamingana handavo
Tsy mba nisy iray naharitra
Sahiko ny hilaza izany
Satria Ianao Jesoa matanjaka
No hany tokiko eto an-tany

Rehefa injay aho mitanondrika
Sahiran-tsaina ka mijaly
Dia reko miafana ny ady
Ny foko toa falifaly
Satria henoko toa rava
Ny adin-tsaina tsy tsaroako
Rehefa mikalo ny hirahira
Avy aminay ry Jesoa Tompo

Izay rehetra olam-piainana
Te hamatotra hambabo
Na koa te hiazakazaka
Mba hamingana handavo
Tsy mba nisy iray naharitra
Sahiko ny hilaza izany
Satria Ianao Jesoa matanjaka
No hany tokiko eto an-tany

Lalao RANDRIANARISON
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 142
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zeea
Daty : 15/10/2025 10:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0721